TARIKA « DIARY » : Sompitry ny hira nentin-drazana Malagasy

Raha toa ka manao tsy homby aloha amin’ny fivoizana ireo gadon-kira Vahiny sy ny fakana tahaka be fahatany izany ny ankamaroan’ireo mpisehatra amin’ny hira sy ny mozika malagasy ankehitriny. Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy manerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary. Ity farany izay niorina ny taona 2020.

Tononkira mirakitra anatra, misy vontoatiny no jarianay, hoy ireo mpitarika ny “Diary” mba ho fanabeazana feno sahaza ny isam-baravarana. Ny trangam-piainana andavanandro (fitiavana, fiarovana ny tontolo iainana, fianarana, asa, sns) hatrany no akora fototra entin’ny “Diary” manefy ireo voka-kantony. Arindran’ireo mpikambana amin’ny gadon-kira malagasy nentim-paharazana avy amin’ny lafivalon’ny Gasikara toy ny salegy, tsapiky, bagasy, vakodrazana, kidodo, mangaliba,vakodrazana, sns izy ireny mba tsy haha-tompon-trano mihono ireo Malagasy lian-kanto. Voambolana Malagasy madio sy manaraka ny fitsipi-pitenena no ampiasain’ny tarika ampitana ireo hafatra ho fanomezan-kasina ihany koa ny teny malagasy izay anisan’ireo harena sarobidy tokana aman-tany mampiavaka ny Malagasy. Tsapa fa nanosika ny maro “hiverina an-doharano” ary hankafy sy “hanasina” indray ny mozika nentim-paharazana malagasy ny ezaka efa vitan’ny tarika Diary. Anisan’ireo sanganasan’ny Diary efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny “Arahaba”, “Mpandresy” ary ny “Tafasaraka” ity farany izay vokatra vao nivoaka tsy ela akory. Sehatrasa ketrehan’ny tarika ny famoahana rindran-tsary vaovao sy ny fanohizana ny fanapariahana ireo sanganasany amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra mitety faritra. Malalaka amin’ny fiaraha-miasa rahateo ity tarika miezaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanomezan-kasina indray ny mozika nentim-paharazana malagasy ity.

Vous aimerez aussi