ANTOKO GRAD/ILOAFO : Nanatontosa Kongresy teny Andavamamba

Ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroany sy ny fanatontosana ny kongresy fahaenin’ny antoko Grad/Iloafo no lanonana notontosain’izy ireo teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko eny Andavamamba, ny zoma 8 may 2026. Fankalazana sy Kongresy izay niantsoan’ity antoko ity ireo mpikambana rehetra ao aminy manerana ny Nosy indrindra fa ireo eto Antananarivo sy ny manodidina. “Isika miaraka no hanova ny tantara – Malagasy iray ihany”, hoy ny antoko Grad/Iloafo tamin’ny alalan’ny Filoham-boninahitry ny antoko, Rabetsitonta Tovonanahary, raha ny fanazavany.

Vous aimerez aussi