Nirotsaka kandidà ho fidiana ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo-Renivohitra ny Minisitry ny Raharahambahiny, Naina Andriatsitohaina. Ny tolakandro teo no nanatitra ny antotan-taratasy mikasika izany ny tenany.
Tahaka ny kandidà maro dia anisan’ireo nisafidy ny ora farany ity kandidà natolotry ny IRD, miaraka amin’i Andry Rajoelina ity vao naneho ny fahavononany.
Malahelo ity renivohitra ity aho, hoy izy, ka nirotsaka ho kandidà, satria voailika ireo marefo, very ny soatoavina malagasy, maizina ny tanàna, miaina anatin’ny loto ny vahoaka,…
Nambarany hatrany fa zanak’iArivo ny tenany ary Iarivo no naha-toy izao azy. Noho izany, hitsinjo ny taranaka faramandimby izy amin’izao firotsahany ho kandidàn’ny Ben’ny Tanàna izao.
Mpandraharaha ary raim-pianakviana izy ka nanterina fa ho tsinjoviny tahaka ny zanany Antananarivo.
Marihina moa fa androany tamin’ny 5 ora hariva teo no fara- fanaterana ny antotan-taratasy momba ny filatsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Tahaka ity kandidàn’Antananarivo ity dia maromaro ihany koa ireo nanatanteraka izany tamin’ny fotoana farany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

