Niverina nisokatra ny lalana etsy Besarety miazo an’Andravoahangy ambony iny, taorian’ny asa fanamboarana nataon’ny Fanjakana.
Azo ivezivezena tsara io lalana io hatry ny omaly raha tsy azo nampiasaina nanomboka ny 22 jolay lasa iny.
Anisan’ny ezaka vita ny fanamboarana azy ity na dia tsy nahafapo ny mponina manodidina loatra aza noho ny fisian-drano mbola miangona rehefa be orana.
Irina ny hitadiavam-baha olana momba izany. Tsy amin’io toerana io ihany fa amin’ny faritra sasany toa an’Andravoahangy, Ambodivona, Mascar, Ampefiloha,…ihany koa.


