15 ireo antotan-taratasy fitoriana sy fanenjehina olona ambony voaray eny anivon’ny Fitsarana Avo (na ny HCJ) ka ny 12 amin’ireo no efa atao fanadihadiana. Ary ny ankamaroan’ireo dia mahakasika Minisitra teo aloha avokoa.
Fanambarana nataon’ny Fampanoavana Ambony, Andriatinarivelo René José izany io maraina io, nandritra ny fotoam-piainianana nataon’ireo mpikambana miisa enina (6) tsy mbola nahatanteraka izany.
Efa niasa ny taona 2018
Ny taona 2018 no efa nanomboka niasa tamin’ny alalan’ny Fampanoavana ity Fitsarana misahana ny olona ambony ity ka tamin’izany no naharaisany taratasy fitoriana miisa 15, saingy ny 12 no azo noraisina tamin’izany.
Araka izany dia efa eny anivon’ny Antenimierampirenena ireo dosie ireo mba handraisana fanapahan-kevitra. Anisan’izany ny amin’ny manamboninahitra ambony izay voalaza fa nanao heloka mifandraika amin’ny asany izay nataony tamin’ny fotoam-piasany.
Mbola mizaka ny zony
Noho ny lalàna ara-pitsarana dia tsy mbola azo avoaka ny anaran’ireo Minisitra sy olona ambony voakasik’izao raharam-pitsarana izao, satria tsy mbola voatsara ka tsy fantatra ho olo-meloka izy ireo na tsia. Ary indrindra mbola eo anivon’ny famotorana, izay mijanona ho tsiambaratelo.
Noho izany dia andrasana ny fiverenan’ny antontan-taratasy avy amin’ny Antenimierampirenena mba hanaovana ny fanadihadiana lalina. Vita izany famotorana izany vao hiroso amin’ny Fitsarana ny raharaha.
Araka izany dia andrasana ihany koa ny fotoam-pivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena ahazoan’ireo Solombavambahoaka manapa-kevitra.
Mba ho foana ny gaboraraka
Nandritra ny Fitondrana teo aloha moa no efa nisy ity Fitsarana Avo ity saingy izao vao niasa tanteraka.
Zava-dehibe eo amin’ny fiainam-pirenena izany noho ny gaboraraka nataon’ny mpitondra ambony sasany hatrizay kanefa tsy voafehin’ny lalàna.
Ny irina dia ny tsy hisian’ny fanavakavahana fa mba handalo izany Fitsarana izany avokoa ny rehetra tsimatimanota nanao tantely afa-drakotra ny haren’ity firenena ity.


