CORONAVIRUS AO VANGAINDRANO : Olona avy any Toamasina koa no nahiana nitondra

Tahaka an’i Manjakandriana, Antsirabe, Manarintsoa Isotry,… dia olona avy any Toamasina ihany koa no nahiana ho mitondra ny valanaretina coronavirus ao Vangaindrano.

Vehivavy 20 taona, nitondra razana avy tany Toamasina nankao Vangaindrano, no ahiana ho nitondra tsimokaretina. Noho ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra dia natoka-monina eny amin’ny « gare routière » aloha ity vehivavy ity ka andrasana ny tompon’andraikitra avy any Farafangana hanao ny fomba fitiliana sahaza azy.

Manoloana izany no anaovan’ny raiamandreny avy ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana antso avo, ny amin’ny fitoniana sy ny fifanomezan-tànana ary hanaraka ny fepetra efa atolotry ny Fanjakana mba tsy hiparitahan’ity otrikaretina ity.

Tsikaritra, araka izao, fa tsy voasakan’ny olona nahazo fahazoan-dàlana hitety Faritra akory ny fitondrana ity otrikaretina ity. Fa na iza na iza no mivezivezy dia afaka manaparitaka ity aretina ity avokoa raha tsy manaraka hentitra ny fiarovana rehetra. Raha izao no mitohy dia hiparitaka tanteraka ny loza. Mila famehezana tanteraka ny toe-draharaha.

Vous aimerez aussi