Lehilahy iray, 28 taona, mponina ao amin’ny kaomina Antsahalalina Manjakandriana no voatily ho voan’ny tsimokaretina coronavirus rehefa tonga avy any Toamasina. Vokany tsy maintsy nakatona ny Fiangonana FPVM ao an-toerana sy ny sekoly iray nianaran’ny zandriny. Tsy maintsy natoka-monina ihany koa ireo olona 11 nifanerasera taminy.
Araka ny fanambaran-dRajaonarison Sitrakiniaina, Lehiben’ny Distrikan’i Manjakandriana dia ny 08 mey lasa teo ity lehilahy ity no tonga tao Antsahalalina. Niantso azy ilay olona nipetrahany tany Toamasina fa « positif » ny tenany. Koa nanatona avy hatrany teny amin’ny hopitaly Befelatanana ity lehilahy ity ka voatily ho mitondra ny otrikaretina ihany koa.
Noraisina, araka izany, ny fepetra ka efa nofendrahana ranom-panafody avokoa ny trano rehetra nolalovan’ireo olona 11 ireo. Anisan’izany ny banky any an-toerana. Naka fepetra ihany koa ny Lehiben’ny Distrika ka nanakatona ny Fiangonana FPVM, noho ity lehilahy ity zanaky ny Pasitera ao. Toy izany koa ny EPP Antsahalalina izay ianaran’ny zandriny.
Andrasana moa ny valin’ny fitiliana ireo olona 11 nifanerasera taminy ireo, ahazoana maka izay fepetra vaovao tokony ho raisina.
Nisy ny fivoriana niarahan’ireo Ben’ny Tanàna rehetra androany, ahazoana mandray ny paik’ady hentina manentana ny vahoaka sy iadiana amin’izao loza mananontanona izao, ka hakana fepetra hentitra.


