Niampy 1 indray ny trangam-pahafatesana voalazan’ny vaovao ofisialy tamin’ity andro ity. Teratany Filipiana, antsoina hoe Ryan Reyes no namoy ny ainy. Ny alatsinainy lasa teo izy no nodimandry tao amin’ny toeram-ptisaboana ao amin’ny orinasa Ambatovy ihany.
2 izany no lavo tamin’ity valanaretina covid-19 ity, izay samy tao amin’ny Faritr’i Toamasina.
Araka ny valin’ny fitiliana miisa 34 natao tao Toamasina androany kosa dia nisy ny tranga 2 vaovao. 27 kosa no natao fitiliana teto Antananarivo, ka 2 ihany koa no voa. Noho izany, mitontaly 326 ireo narary sy marary hatrizay.
Tsy nisy ny sitrana tamin’ity andro ity. Araka izany, mijanona ho 205 ny isan’ireo tsaboina, izay nomarihina fa tsy manana toe-pahasalamana atahorana intsony. Samy efa nihatsara ireo olona 2 nanana tranga nampiahiahy.
119, araka izany, ny isan’ireo efa sitrana hatrizay.
Mitohy ny ezaka
Mitohy hatrany ny ezaka fitiliana ity tsimokaretina ity isan’andro. Laharam-pahamehana amin’izany ireo faritra nahitana ireo olona efa voa.
Tokony hitohy, araka izany koa anefa ny ezaka ataon’ny tsirairay, amin’ny fitandreman-tena. Tsy foana eto amintsika ny fitangorongoronana noho ny fiantsenana, ny fifampisisihana amin’ny taxibe, ny filaharana samihafa,… izay tokony hanaovan’ny rehetra saron-tava. Tsy voahaja ary toa tsy voahaja mihitsy manko ity elanelana 1 metatra ity, ka aoka ny fiarovantenan’ny tsirairay no hamafisina. Asa raha hisy ny fanasaziana ny olona tsy manaja ity elanelana ity na ahoana !


