« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy ahafahana mandresy ny fahantrana. Io no hampahafantarina ny vahoakan’Andoharanofotsy, anatin’izao herinandro faharoan’ny fampielezan-kevitra izao » hoy ny Kandidà Fanja Raharimanana, mitondra ny laharana voalohany, ao anatin’ny Biletà tokana, atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara ary tohanan’ny Vondrona Firaisankina hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina. Amin’ny ankapobeny efa resy lahatra Andoharanofotsy fa i Fanja no afaka hitondra azy ireo amin’ny tena fampandrosoana.
Narafitra hamaly ny filan’ireo mponina eny anivon’ny fokontany ny drafim-pampandrosoan’ ny Kaominin’Andoharanofotsy, hoy hatrany i Fanja. Anisan’ireny ny fanatsarana ny lafiny fampianarana, fahasalamana ary ny fanamafisana ny lafiny fandriampahalemana. Tsy hohadinoina ny fiahiana ara-tsosialy ireo zaza amam-behivavy sy ireo Beantitra. Hapetraka ny ivon-toeram-panofanana hanampiana ireo tanora. Hisy ny fandaminana ny fomba fiasan’ireo fiara fitateram-bahoaka sy ny fanamaivanana ny fitohanana. Tsy maintsy asiana ezaka manokana ihany koa ny lafiny fahadiovana. Hatsaraina ny kalitaon’ny tolotra omena ireo manan-draharaha eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy amin’ny alalan’ny fampiharana ny mangaraharaha sy ny fanafainganana ny fomba fiasa. Teny filamatra ho an’ny Kandidà Fanja, Andoharanofotsy ny hoe : « Andoharanofotsy milamina,madio ary tsara tantana » Manoloana ny feo mandeha eny Andoharanofotsy izay mamofompofona fangalaram-bato dia nanambara i Fanja fa efa misy ny paikady hiatrehana azy ireny. Nanentana hatrany ireo mponina eny an-toerana i Fanja mba handeha hifidy amin’ny 11 desambra ary hiaro ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana ny «Andrimasom-pokonolona ». Ny firaisankina no hery, ny Mitabe tsy lanin’ny mamba.