Araka ny tatitra noentin’ny profesora Vololontiana Hanta dia tsy nahitana tranga vaovao teto Antananarivo, tamin’ireo fitiliana natao omaly. Ankoatra ny tamin’ireo 5 naverina natao mantsy dia 13 no nahitana otrikaretina tamin’ireo olona 210 nandalo izany ka 11 tany Moramanga fa ny 2 kosa tany Toamasina.
Hita amin’izany fa nisy fihenana ny tranga tany Toamasina, saingy i Moramanga indray izao no azo lazaina ho tandindonin-doza satria raha 3 no hita tany teo aloha dia izao niakatra 11 indray ny vaovao misy farany. Noho izany dia inoana fa tsy maintsy hisy ny fanamafisana ny fepetra fisorohana rehetra any an-toerana mba hisakanana ny fipariahan’ity valanaretina ity. Marina fa efa misy ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra amin’ny alàlan’ny fanasiana ny sakana isaky ny fidirana sy fivoahana ny faritra voakasika, saingy mampanahy hatrany izao fiakaran’ny tahan’ny tranga izao.


