Tsy nahazatra ny maro ny nahita ny manodidina ny kianjaben’i Mahamasina nadiodio tanteraka, tsy nisy ny fitohanan’ny fiara, satria tsy nisy ny mpivarotra maro be tahaka ny fahita isaky ny alakamisy eny an-toerana.
Araka ny fanapahan-kevitry ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo mantsy dia atsahatra aloha ny tsena isan-kerinandro, dia Andravoahangy ny alarobia, Mahamasina ny alakamisy, ny tsenan’Ambodin’Isotry isaky ny sabotsy, toa izay ihany koa ny tsenan’Isotry.
Fantatra fa tsy voahaja ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ireny toerana itangoronan’ny olona ireny ka noraisina ny fepetra mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Raha ny teny Mahamasina manokana dia fantatra fa tsy dia nisy olana loatra ny fanakanana ireo mpivarotra. Nisy tokoa mantsy ireo mbola tonga teny Mahamasina, nikasa ny hivarotra, saingy ny alin’ny alarobia dia efa nihatrana teny an-toerana ireo pôlisin’ny Fivondronana. Ireo olona ihany koa moa tonga tsikelikely ka mora tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny nanakana azy ireny, na dia nisy ihany aza ireo mbola saika hisisika noho ny tsy fahafantarany izany mialoha.
Eo anatrehan’ity valanaretina ity dia tsara hatrany ny mampihatra ireny karazana fepetra fisorohana ireny amin’ny fomba henjana sy tsy misy indrafo, satria tsapa fa misy foana ireo minia tsy manaja izany sy manamaivana ny zava-misy.


