Hotanterahina ny 10 sy 11 aprily 2026, eny amin’ny QG tanora Ankorondrano, ny hetsika “Forum des énergies solaires”, izay karakarain’ny ” FabLab EnR-out”. Hetsika izay entina hiseharana amin’ny resaka angovo havaozina.
Ny “FabLab EnR-out” araka izany no hampiofana ireo tanora mba hanamafy ny traikefan’izy ireo. Ny tanora ankehitriny izay tsapa fa mihaliana amin’ny fianarana ny angovo azo havaozina.
Ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana miampy ny Ministeran’ny vola sy ny tetibola no mpanohana ofisialy ity hetsika ity. Mahatratra 300 ny isan’ireo mpandray anjara haneho ny fahaiza-manaony mandritry ny roa andron’ny hetsika. Fifanakalozan-kevitra eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fitondram-panjakana. Ny fampahafantarana ireo asa noforonina avy amin’ny angovo azo havaozina. Fifaninanana tetikasa sy fampirantiana no hibahan-toerana amin’ny 10 sy 11 aprily 2026, eny Ankorondrano, araka ny fanazavana voaray.


