Hafa kely ! Any Fianarantsoa no monina sy mitady ravinahitra i Randrianarison Mamison Elysé. Tsy io anarana voasoratra anatin’ny karapanondrom-pirenena io intsony no ahafantaran’ny mponin’ny Fianarantsoa ny lehilahy fa i « CB ». Azo avy amin’ny fanafohezana ny hoe : « Cache bouche ». Nandritra ny fotoana nampamaivay ny areti mandoza cornavirus teto amintsika ny taona 2021 ireny no nahazoan’ny lehilahy ity solon’anarana nahabotrabotra sy azo ambara ho nitondra fanambinana nitarika ho any amin’ny fahombiazana ho azy ity.
Ankehitriny, nirona amin’ny fanaovana mozika i « CB » ankoatry ny asav velotena ataony. Miavaka amin’ilay tononkira mahitsy toraka tsy mihaotra amin’ny filazana ny tsy rariny, ny tsy marina ary ny endrika fanambakana marolafy mety hahazo ny isam-batan’olona ny tononkirany. Sahy mijoro amin’ny fahamarinana, araka izany, i « CB » ao anatin’ny fikirakirana ny mozika ary mitory hatrany ny fihavanana, ny firaisankina. Mijoro ho mpampihavana hatrany ihany koa ny lehilahy. Tsanganasa voalohany nojarian-dRandrianarison Mamison Elysé voalohany ny « Inona ny vaovao ? » noho ny fanilikilihana nataon’ny Kaominina ambonivohitry Fianarantsoa ireo mpivarotra. Tsapany ho nipaka tamin’ireo mpankafy ny fankafizana ity vazo voalohany ity. Tapa-kevitra ny hanohy hatrany ny fikirakirana ny mozika, araka izany, i « CB ».
Efa nivoaka ankehitriny ny « Biby » hira vaovaon’ny Groupe « CB ». Hira izay noforonina taorian’ireo sahoan-dresaka momba ny fisian’ny biby nambara ho mandripaka ireo biby fiompy izay nahoraka tokoa tao Fianarantsoa. Ampahany amin’ireo gadon-kira lalaovin’ny Groupe « CB » ny afro, tropikaly ary ny hira madinika amin’ny gadona maroloko. Vonona hatrany ny hitondra ny hafatry ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny mozika i « CB » ary misokatra malalaka ho an’ireo te hanolo-tanana azy ho amin’ny fampiroboboana ny mozika. Andalam-piketrehana ho amin’ny famoahana ny vokatra volaohany ankehitriny ny Groupe « CB ».


