« JINGHUI SYMPHONIE ORCHESTRA » Mivoy « Mozika mitaiza fanahy »

« Jinghui symphonie orchestra », hivondronan’ireo Sinoa moine, miisa manodidina ny 60 mianadahy. Mpitendry zavamaneno toy ny lokanga, harpe, sodina, contre basse, sns sady mpihira ary misy mandihy ihany koa izy ireo mandrafitra ny « Jinghui simphonie orchestra » izay mivoy ny mozika nentim-paharazana Sinoa toy ny « mozika klasika bodista ». Miangaly ihany koa ireo mozika klasika nojarian’ireo andrarezina maneran-tany toa an’i Mozart, Bethoven, sns ihany koa ny « Jinghui symphonique orchestra ». Ny taona 2019 no nigadona teto Madagasikara izy ireo. Ankehitriny, eny Andranovelona, Lalam-pirenana faha-efatra no misy ny monasitera itobiany.

Raha tsiahivina, ny 01 may 2022, tetsy amin’ny CCI Ivato, no nanatanteraka seho voalohany ny « Jinghui symphonie orchestra ». Fampisehoana izay niompana betsaka ho amin’ny fangataham-pitahiana ho soa sy ho tsara eo amin’ny fifandraisan’ny firenena Sinoa sy Madagasikara ary ho amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana maneran-tany.

Matihanina amin’ny filalaovana ny mozika izy 60 mianadahy ireto izay manana salan-taona 05 hatramin’ny 50 taona. Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ankoatry ny fiaraha-mivavaka sy fanaovana fanatanjahatena ny fandalinana ny mozika isan’andro miampy ny fianarana ny teny sy ny kolontsaina malagasy. Miainga avy amin’ny fampiasana ny « Solfege » (Soram-peo) ny fampianarana ireo hira eo anivon’ny « Jinghui symphonie orchestra », hoy Randrianasolo Bopo, anisan’ireo mpitarika eo anivon’ny « Jinghui symphonie orchestra ». Asongadina sy avoitra anatin’ireo sanganasa ny fitoriana ny fandriampahalemana, fahendrena, fifanajana mba ho fitaizam-panahy, vatana ary saina. Marihana fa manao ho zava-dehibe sy manome lanja ny hasin’ny tontolo iainana ihany koa ny “Jinghui symphonie orchestra”. Arahin’asa amin’ny alalan’ny fambolena ireo karazan-kazo miisa 5 000 eny Andranovelona izany fa tsy mionona fotsiny amin’ny fitanisana an-kira ny hakanton’ny zavaboahary izy 60 mianadahy. Miezaka manatanteraka ilay fahendrena malagasy « Iray vatsy, iray aina » ireo teratany sinoa moine manodidina ny 100 miara-monina ao Andranovelona. Niteraka loharanon’asa ho an’ireo mponina manodidina rahateo ankehitriny ny fanorenana ireo foto-drafitrasa eny an-toerana tahaka ny trano malalaka fanaovana fampisehoana sy ny tempoly goavana izay kendrena ho vita amin’ity taona ity. Raha fintinina, mifototra amin’ny fampiasana ny mozika mba ho fitaovana mahomby hikoloana ny fanahy sy ny saina hadio mandrakariva ny « Jinghui symphonie orchestra ». Ny Mastera Shi wule sy Jinghui ary i Bopo Andrianasolo no angady nananana sy vy nahitana ny “Jinghui symphonie orchestra”. Anisan’ireo firenena efa niakaran’izy ireo sehatra ny tany Inde sy tatsy Maurice. Tsy iadian-kevitra fa azo atao tsara ny maka fifantohana « Meditation » anatin’ny fihainoana ny mozika milamina voaravaky ny dihy mirindra lalaovin’ny « Jinghui symphonie orchestra ».

Vous aimerez aussi