“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré, nandritra ny telovolana. Mazava ny hafatra ny amin’ny tokony tsy hanambaniana ny hafa eo amin’ny fiainana rehefa “tafa” na mba mahita rirany amin’ny fiainana, hoy, ity Mpanakanto mivoy ny gadona tropikaly, zanaky Mananara avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona”coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe : “Ny Mpanakanto no Mpitondra hafatry ny Vahoaka ihany koa ny nanajariana azy ity hoy i Désiré. Tsy miolaka fa mahitsy bé hatrany toy ny nahafantarana an’i Désiré hatramin’izay ny hafatra ao anatin’ny “Aza mifanambany” Nomarihany fa tsy misy idiran’ny tara-kevitra politika ity vazony ity fa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany amin’ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Tsy ho ela dia ho tazana sy ho heno eny anivon’ireo haino aman-jery maro eran’ny Nosy ny “Aza mifanambany”. Taorian’ny”Paracétamol” hira nivoaka ny taona 2025 dia ny “Aza mifanambany” no azo ambara ho fanomezana ho an’ny taona vaovao 2026. Nampanantena ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva hatrany i Désiré ho an’ireo mpankafy ny Hira sy ny Mozika. Azo ambara ho mampiara-dalana ny mahasoa sy ny mahafinaritra hatrany ity Mpanakanto ity noho izy manabe sady manala Voly.


