“PAMF” – “ESCM BUSINESS SCHOOL” : Hampiofana tanora momba ny banky sy ny fampindramam-bola madinika

Fifanaovan-tsonia momba ny tetikasa antsoina hoe: “PAMF Academy” izay hanofanana maimaim-poana tanora miisa 15 mahakasika ny banky sy ny fampindramam-bola madinika no fifanaraham-piaraha-miasa, teo amin’ny “Première Agence de Microfinance” na ny (PAMF) sy ny “ESCM Business School”. Ity tetikasa ity izay entina hanampiana ireo tanora maniry hiasa amin’ny tontolon’ny fandraharahana ara-bola. Tetikasa izay haharitra 5 volana ary hisy fiofanana indroa miantoana. Fiofanana any an-tsekoly no sady fianarana asa na ny “Formation en alternance ” avy hatrany araka izany no hamolavolana ireo tanora mpianatra. Hotolorana mari-pankasitrahana ireo tanora nahavita fiofanana. Izy ireo izay afaka miasa avy hatrany. Ny “PAMF” sy ny “ESCM Business School” no hiantoka manontolo ny vatsim-pianarana atolotra ireo tanora ireo. Izay tanora mahafeno fepetra dia horaisina amin’ny fiofanana avokoa. Tsy mifidy Lalam-piofanana rahateo na misy aza ny sivana atao amin’izy ireo. Anisan’izany ny fahafehezana ny teny Frantsay. Hanomboka amin’ny tapaky ny volana martsa ny fiofanana omena azy ireo raha efa nisokatra tamin’ny talata lasa teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo tanora maniry ny hanohy izany fianarana mahakasika ny fandraharahana ara-bola izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny Tale Jeneralin’ny PAMF, Ratsimbazafy Guy.

Vous aimerez aussi