MPANAKANTO "HERY VALIHA" : Efapolo taona mahery nanamboarana Zavamaneno marolafy...

Teo amin’ny faha folo taonany fony teny ampiandrasan’omby no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy ny kabosy vita tamin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehitriny efa mznitsaka ny faha Efapolo taona nanamboarana zavamaneno ny lehilahy.

Mampiavaka ny valiha jarian’i Hery Valiha ny fisian’ny asa fikarohana mitohy ataony. Ampahany amin’ireny ny fanambarana karazan-kazo miisa roa ahitana ny kesika sy ny voamboana hanamboarana ireo toham-baliha. Tsy maintsy nirosoana ny fampiasana izany, hoy, izy noho ny voatavomonta efa malemy nohon’ny fiotazana azy ireny mbola tanora loatra. Anisan’ny fanatsarana tazana amin’ny valiha vokarin’i Hery Valiha ihany koa ny fampiasana ny “Vy mangirana” (Inox) ho jihim-baliha (Cordes) noho ity vy ity tsy mety harafesina. Kendrena hiova manaraka ny vanimpotoana sy ho mora kojakojaina ireo zavamaneno jarian’i Hery Valiha. Marihana fa havanana amin’ny fanamboarana kabosy, lokanga, sodina, aponga tapaka, sns i Hery Valiha. Anisan’ny vokatra vaovao tazana etsy Ambohimahitsy, vohitra onenan’i Hery Valiha ny “jejy Valiha” Valiha ahitana voatavomonta sy ny “Marovany” manaraka ny fenitry ny mozika.

Mipariaka saika maneran-tany ankehitriny ireo zavamaneno asa tanan’i Hery Valiha. Maro amin’ireo Mpanakanto matihanina eto Madagasikara ihany koa no efa mampiasa ireo zavamaneno vita malagasy mahafeno ny fepetra manaraka ny fenitra takian’ny zavamaneno fampiasa ho amin’ny sehatra matihanina. Tsy mihanona hatreo amin’ny famokarana zavamaneno i Hery Valiha fa mirotsaka an-tsehatra amin’ny fiarovana ny Tontolo iainana. Sehatrasa ataony ny fambolena ny “Volobe” (Bambou) Mivelatra amin’ny asa fikarohana manodidina ny “Volobe” ihany koa i Hery Valiha. Misehatra amin’ny lafiny fampianarana zavamaneno i Hery Valiha. Manan-talenta amin’ny famoronana hira ihany koa ny lehilahy ary efa manana tarika afaka manafana sehatra amin’ny endriny marolafy. Ny laharana 038 55 113 95 no ahafahana mitafa mivantana amin’izy Hery Valiha. Ity farany izay azo sokajiana ho andrarezin’ny famokarana zavamaneno vita malagasy manaraka ny fenitra.

Vous aimerez aussi