MPANJAKABEN’I BOENY RASAMIMANANA : Nasondrotra laharam-boninahitra ho « officier de l’ordre national »

Nasondrotra ho officier de l’ordre national ny mpanjakaben’i Boeny.

Tontosasoa aman-tsara tao amin’ny fokontanin’Ankaraobato, kaominina ambanivohitr’Ambato Ambarimay, distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny, ny lanonam-panjakana tamin’ny fanondrotana ny mpanjakaben’i Boeny, Atoa Rasamimanana, izay folaka efa roavolana lasa izay, ho eo amin’ny laharan’ny marim-boninahim-pirenena « officierde l’ordre national » araky ny didim-panjakana, laharana 2020-594 izay nivoaka tamin’ny 3 Jona 2020.  Ny Préfean’i Mahajanga no nametraka izany izay notronon’ireo tompon’andraikim-panjakana tao amin’ny faritra Boeny, toy ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah, ny Lehiben’ny distrikan’Ambatoboeny, ny kaomandin’ny fari-piadidin’ny Zandarimariam-pirenena ao Mahajanga. Tsara marihina fa amin’ny zoma ho avy izao no fanompoana an’i mpanjakabe Rasamimanana ary ny Sabotsy 13Jona 2020 no hanitrihana azy.

Vous aimerez aussi