Nahitsy fiteny ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distikan’i Toamasina voalohany Famidra Justin, manoloana ny zava-nitranga tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Misy andian’olona mitady hamadika iny raharaha iny ho politika ary mifono fanonganam-panjakana ilay izy, hoy izy. Noho izany, nanao antso avo amin’ny vahoakan’i Toamasina ny depiote, mba hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin`ny Covid-19. Ilaina ny firaisankina ary ny faharetana miaraka no ahafahana miady amin`ny aretina, hoy izy. “Taorian`ny dian`ny Filoha Rajoelina Andry tany Toamasina no nahafahana nandrefy izay mety hitranga amin`ny tanànan`i Toamasina. Misaotra ny filoham-pirenena, fa tonga avokoa na ireo olona na ireo fitaovana entina miady amin`ny aretina. Mirary aho mba ho afaka roa herinandro dia hiova ny fiainana ao Toamasina, hoy izy. Raha miharitra mandritra izay roa herinandro izay isika, dia afaka hiatrika ny fetin` ny 26 jona ny vahoaka ao Toamasina”, hoy ny nambarany. Nohamafisiny fa raha manaraka ny fepetra napetraky ny fanjakana toy ny fihibohana ny vahoaka dia ho vita ny miady amin`ny aretina. “Raha sitrapon`ny fanjakana, dia mihiboka ny tontolo andro, saingy marefo ny ara-toekarena. Ka ataovy amin`ny fomba mihaja ny fanajana ny fihibohana”, hoy hatrany ny depiote.
Misy ambadika politika
Manameloka amin’ny endriny rehetra amin’ny fambolena korontana Sy fanambarana miendrika fanonganam-panjakana tany Toamasina ny depiote FamindraJustin. «Hatramin’ny voalohany dia efa nilaza aho fa misy endrika politika ny zava-misy ao Toamasina. Nisy ireny karazana fanambarana ireny, mazava be, kanefa ny fialan’ny filoham-pirenena ve no vahaolana nefa aretina no resaka? Ny rano ao Toamasina voalaza fa tsy azo sotroina noho i Ambatovy, kanefa iza no nampiditra an’io orinasa io? Tsy tamin’ny andron’ i Ravalomanana Marc ve? », hoy izy. Tsy tokony hampihemotra ny fitondram-panjakana ny kajikajy politika voizina toa izao. Na izany anefa dia ny fahatsapahan`ny tsirairay ny filaminana no zava-dehibe. Tsy hisy ny zava-banona raha mbola hisy savorovoro ary miverina ao anaty krizy indray ny firenena, hoy ny fanazavany.


