"SALON DU CHOCOLAT ET DE LA GOURMANDISE 2026" : Hanomezan-danja ny vokatra eto Madagasikara

Ny Sabotsy 28 martsa 2026, no hifanome fotoana amin’ny “Wednesday Morning Group” na ny WMG, en Anosy, indray ireo mpankafy ” chocolat” sy ny manodidina izany. Ireo sakafo vokarina amin’ny “chocolat” araka izany no hampirantian’ireo mpandray anjara miisa 45 mandritra io fotoana io. Ankoatry ny fampirantiana dia hisy ny fanandramana sakafo sy fifampizarana maro samihafa ary atrikasa. Ireo mpisehatra amin’ny “chocolat” araka izany dia hanome fahafaham-po ireo mpitsidika. Hifampizara traikefa sy fahaiza-manao ihany koa eo amin’ny samy mpandray anjara. Natao indrindra hanomezan-danja ny vokatra malagasy araka izany ny andiany fahavalo amin’ny “Salon du chocolat et de la gourmandise 2026”. Ity hetsika karakarain’ny WMG ity izay natao hanoloran-tanana ireo olona marefo sy sahirana ara-pivelomana ahian’ity fikambanana ity. Maimaim-poana ny fidirana ho an’ireo ankizy latsaky ny 10 taona. Ar 5000 izany f ho an’ny olon-dehibe.

Vous aimerez aussi