"STAR TOUR 2026" : Any Antsirabe ny 4 ka hatramin'ny 6 aprily

Hanomboka ny 4 aprily ka hatramin’ny 6 aprily 2026, eo anoloan’ny Gara Antsirabe, ny “Star Tour 2026″, amin’ity taona ity. Hampiavaka izany ny fampisehoan’ireo mpanakanto miisa 6 izay hanafana ny lanonana. Anisan’izany i Lion Hill, LJo, Jack Dad, Samoela sy i Arione Joy ary ny tarika Zay. Mandritra ireo telo andro ireo dia hanafana ny lanonana ihany koa ireo mpikosoka kapila izay efa matihanina amin’izany. Hiara-hisalahy amin’izany ny avy any an-toerana sy ny avy aty an-drenivohitra. Handravaka ny lanonana ankoatra izay ny fisian’ireo karazana lalao maro samihafa. Samy tsy diso anjara amin’izany na ny lehibe na ny ankizy. Tranoheva maro no handray anjara amin’ity fety ity. Azo jifaina amin’ireo tranoheva ireo avokoa ny vokatra vokarin’ny Star izay orinasa mpikarakara ny” Star Tour 2026″. Na ny lafiny fandriampahalemana na ny fitandroana ny lafin’ny fahadiovana dia samy efa nataon’ny tompon’andraikitra ho laharam-pahamehana avokoa. Tanjona ny hisoroka ny loza izay mety hiseho, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi