STAR TOUR ANTSIRABE 2026 : Nafana ny ambiance, afa-po ny rehetra

Na teo aza ny olan’ny herinaratra nisy tany amin’ny tanànan’Antsirabe nandritra ny fetin’ny Paska dia tsy nampisy olana ny fety Star Tour Antsirabe izay nokarakarain’ny Star izany. Nampiasa “Groupe électrogène” goavana ny Star mba hamatsiana jiro sy ny feo ary ireo fitaovana rehetra nampiasaina mba hampizotra antsakany sy andavany ny fandaharam-potoana. Fahombiazana tanteraka araka izany no hita tany an-toerana nandritry ny telo andro. Mihoatry ny 120 000 isan’ireo niara-nikorana tamin”ity lanonana ity. Nisy rahateo ny lalao teny amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe. Izy io izay efa lasa hetsika ara-kolontsaina mandritry ny Star Tour Antsirabe. Ankoatra izay dia teo ihany koa ny fampisehoana goavana notontosain’ireo mpanakanto malaza sy ny mpandihiny. Ireo DJ isan-karazany nifandimby niaka-tsehatra. Nafana ny fety ka afa-po ny rehetra. Na ny kalitaon’ny vokatra natolotry ny tompon’andraikitra mpikarakara izay ny Star na ny fampisehoana maro isan-karazany teo amin’ireo mpanafana ny sehatra dia samy tsy nanam-paharoa avokoa ka amin’ny manaraka indray izany mihaona. Nentina nanangonana tavoahangy plastika ireo vata Kopakelatra izay napetraka ho an’ny besinimaro. Nentina nanampy tamin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny toerana ny Kopakelatra. Tsy nataon’ny Star ambanin-javatra araka izany ny fahadiovan’ny toerana nampiasaina nandritry ny fety ka nisy ny fanadiovana faobe izay nentina namaranana ny Star Tour Antsirabe.

Vous aimerez aussi