HOPITALY BEFELATANANA "SERVICE ENDOCRINOLOGIE" : Tangosam-bola ambony apanga ireo marary ho fanadiovana ny efitrano sy ny lavapiringa

Loza !!!! Io no azo ilazana ny fitangosam-bola mitentina dimanjato ariary isanandro ary miakatra ho arivo ariary izany rehefa Zoma sy Sabotsy. Antony nambara tamin’ireo marary ao amin’ny “Service endocrinologie” etsy Befelatanana hakana io vola io isa maraina ny ho fanadiovana ny efitrano. Tsy mijanona hatreo anefa ny fitakiam-bola ataon’ilay mpiasa vavy mpanadio ny efitrano ao amin’ity “Service endocrinologie” ity fa misy ihany koa ny fakana vola mitentina dimanjato sy arivo ariary isan-kerinandro ho entina manadio ireo lavapiringa eny an-toerana indray.

Vokany, mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo marary ao amin’ity “Service endocrinologie” etsy Befelatanana ity. Ny vidim-panafody sy ireo kojakoja entina mitsabo ny aretina efa midangana izay tsy izy mbola misy ihany koa ny “Vola ambony apanga” tsy maintsy efaina. Manainga ireo tomponandraikitra ao amin’ny “Service endocrinologie” Befelatanana mba hijery akaiky ity tranga mampahory ireo marary ity. Azo atao tsara ny mametraka peta-drindrina milaza ireo saran’ny asa rehetra atao ao amin’ity toera-pitsaboana lehibe eto Antananarivo ity mba hisian’ny mangarahara hisorohana ny tranga tahaka izao.

Maro ireo efa nitaraina tamin’ity endrika fitangosam-bola tsy hita fototra ity fa ny nahagaga dia tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra manoloana izany. Aiza ho aiza amin’izany ny fanatanterahana ilay “Fanavaozana” dradraina isanandro vaky. Ireo marary sy ny mpanaraka azy ireo ao amin’ny “Service endocrinologie” Befelatanana izay tsy afa manoatra manoloana ny tahotra sy ny horohoro mitambesatra noho izy ireo manana ny tsy salama. Mino sy manantena ireo marary ao amin’ny “Service endocrinologie” etsy Befelatanana fa mba hifarana hatreo ny fakana vola tsy an-drariny atao amin’izy ireo.

Marihana fa mialoha ny hidiran’ireo marary etsy Befelatanana dia efa misy ireo vola tsy maintsy efain’izy ireo. Tsy tafiditra anatin’izany anefa ity “Vola ambony apanga” tangosana isanandro sy isaky ny herinandro takian’ilay mpiasa vavy mpanadio ny efitrano ao amin’ny “Service endocrinologie” Befelatanana ity.

Vous aimerez aussi