Na teo aza ny olan’ny herinaratra nisy tany amin’ny tanànan’Antsirabe nandritra ny fetin’ny Paska dia tsy nampisy olana ny fety Star Tour Antsirabe izay nokarakarain’ny Star izany. Nampiasa “Groupe électrogène” goavana ny Star mba hamatsiana jiro sy ny feo ary ireo fitaovana rehetra nampiasaina mba hampizotra antsakany sy andavany ny fandaharam-potoana. Fahombiazana tanteraka araka izany no hita tany an-toerana nandritry ny telo andro.
Jour : 7 avril 2026
HOPITALY BEFELATANANA "SERVICE ENDOCRINOLOGIE" : Tangosam-bola ambony apanga ireo marary ho fanadiovana ny efitrano sy ny lavapiringa
Loza !!!! Io no azo ilazana ny fitangosam-bola mitentina dimanjato ariary isanandro ary miakatra ho arivo ariary izany rehefa Zoma sy Sabotsy. Antony nambara tamin’ireo marary ao amin’ny “Service endocrinologie” etsy Befelatanana hakana io vola io isa maraina ny ho fanadiovana ny efitrano…
ATF : Hampanjaka ny mangarahara sy ny fahamarinana
Ny Antenimieran’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana na ny ATF dia Vovonana ivondronan’ireo Fikambanana maro samihafa, sendika ary Fiaraha-monim-pirenena. Tanjony ny hampanjaka ny marina sy ny mangarahara.
AMBATOSOA - FARITANY TOAMASINA : Mangataka ny hijerena ity faritra ity ny mponina
Faritra Ambatosoa any amin’ny Faritanin’i Toamasina no misy ny ” Cap Masoala”. Toerana izay misy ny ala ahazoana ny entona “carbone” amidin’i Madagasikara any ampitan-dranomasina. Zava-misy any an-toerana ankehitriny anefa ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa maro samihafa na eo aza io harena ananan’ny faritra izay mampidi-bola eto amin’ny Nosy io.
DISTRIKA MIISA 5 ANY AMIN'NY FARITRA ATSIMON'NY NOSY : Mila vonjy maika noho ny krizy ara-tsakafo mahery vaika
Noho ny mahafaritra mena amin’ny krizy ara-tsakafo mahery vaika, ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, ankehitriny, dia nitondra fanampiana ho an’ireo mponina any an-toerana, ny BNGRC. Fanampiana izay niainga, ny sabotsy 4 aprily 2026.
