AMBATOSOA - FARITANY TOAMASINA : Mangataka ny hijerena ity faritra ity ny mponina

Faritra Ambatosoa any amin’ny Faritanin’i Toamasina no misy ny ” Cap Masoala”. Toerana izay misy ny ala ahazoana ny entona “carbone” amidin’i Madagasikara any ampitan-dranomasina. Zava-misy any an-toerana ankehitriny anefa ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa maro samihafa na eo aza io harena ananan’ny faritra izay mampidi-bola eto amin’ny Nosy io. Tsy misy tamberin’andraikitra tonga any amin’ireo mponina ireo mihitsy araka izany fa lasa faralahim-paritra ny any Ambatosoa. Manoloana izany indrindra dia mitaraina ireo mponina any an-toerana. Mitaky ny mba hijerena akaiky azy ireo. Ankoatran’ny harena an-tanety anefa dia manana harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina ihany koa ny faritra. Mangataka ny hanamboarana ny lalam-pirenenafahadimy na ny RN5 ny faritra Ambatosoa mba hahafahana mamoaka ireo vokatra rehetra any an-toerana. Andaniana vola aman’hetsiny mantsy ny fandehanana fiara sy sambo raha hihazo ny toerana. Aman-Tapitrisany kosa izany raha mandeha fiaramanidina, hoy ny Mpandrindram-paritry ny Vovonana Antenimieran’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana na ny ATF, Toandro Sébastien.

Vous aimerez aussi