DISTRIKA MIISA 5 ANY AMIN'NY FARITRA ATSIMON'NY NOSY : Mila vonjy maika noho ny krizy ara-tsakafo mahery vaika

Noho ny mahafaritra mena amin’ny krizy ara-tsakafo mahery vaika, ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, ankehitriny, dia nitondra fanampiana ho an’ireo mponina any an-toerana, ny BNGRC. Fanampiana izay niainga, ny sabotsy 4 aprily 2026. Kaominina miisa 32 ao anatin’ny Distrika miisa 5 any amin’ity faritra ity no ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’izao fotoana izao ka mahatonga fahasahiranana lalina ho an’ireo mponina ireo. Noho ny tsy fisian’ny orana any an-toerana no mahatonga ity tsy fahatombanana ara-tsakafo ity. Mba hanoloran-tanana ireo mpiara-belona ireo dia nitondra ny anjara birikiny, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC ihany koa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny zoma 3 aprily 2026. Nanolotra fanampiana ara-tsakafo toy ny vary sy menaka mba hanohanana ireo avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ireo, ity Fiangonana ity, tamin’izany. Ankoatra ity nomen’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity dia mbola manentana ny mpiara-belona hanohy hatrany ny hetsika hatrany ny BNGRC mba hamaliana ny filàn’ireo mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Fanampiana FJKM

Vous aimerez aussi