ATF : Hampanjaka ny mangarahara sy ny fahamarinana

Ny Antenimieran’ny Tolona ho an’ny Fanavaozana na ny ATF dia Vovonana ivondronan’ireo Fikambanana maro samihafa, sendika ary Fiaraha-monim-pirenena.

Tanjony ny hampanjaka ny marina sy ny mangarahara. Hiady amin’ny kolikoly sy ny antsonjay ary ny tsindry hazolena mianjady amin’ny Malagasy. Vina apetraka ny ho aim-panahy manelanelana ny mpitondra sy ny vahoaka ka mba hahita ny rariny sy ny hitsiny izy ireo. Izany indrindra no hanatanterahan’ny ATF fitsidiham-paritra manerana ny Nosy mandritry ny taona 2026. Ankoatra izay dia hanatanteraka hetsika ara-kolontsaina sy ara-tsosialy ny ATF mba hanoloran-tanana ny mpiara-belona. Efa nanomboka izany izy ireo tamin’ny voina nahazo an’i Toamasina. Nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ity faritra ity. Nihazo ny tany Moramanga ihany koa ny ATF tamin’ny 29 martsa 2026. Nanohana ireo mponina tany an- toerana. Teny filamatry ny ATF, ny hoe: “Ny ATF dia Hetsika Izahay Ma.F na Izahay Manohana ny Fanavaozana. Ndao fa lera.”

Vous aimerez aussi