Niditra tamin’ny fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana teny Ambohipo sy Ambolokandrina ihany koa ny delegen’ny boriborintany faharoa, tamin’ity herinandro ity, nanomboka ny Alatsinainy teo. Nambaran’ny delege, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise dia eo amin’ny “3 chemain” mankany Ambolokandrina ny “tranche” voalohany hodiovina. Ny “2ème tranche” kosa dia miala eo Ampahateza. Ireo mpivarotra ambonin’ny “trottoir” rehetra no hesorina miaraka amin’ireo fiara mijanona amin’ny sisi-dalana. Sahirana amin’ny fitohanan’ny fiara ireo mpitondra fiara amin’ny ora fidiran’ny mpiasa sy ny mpianatra. Ny olona miantsena ihany koa tratry ny fahasahiranana. Ireo mpivarotra tsy ara-dalana amin’ireo toerana ireo no tsy maintsy esorina, hoy ny delege. Nambarany, fa hametraka “parking payant” izy ireo ary ireo fiara mijanona amin’ny sisi-dalana dia manaja ny ora, amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Marihana, fa ireo fiara mpirevy sy mpanala azy no mijanona sy miteraka izay fitonanan’ny fiara eny Ambohipo sy Ambolokandrina ary Ampahateza izay. Mikasika ilay “trésorière” ny fokontany Manakambahiny hesorina dia nilaza ny delege fa hanokatra ny fanadihadiana momba izany ny “cellule bonne gouvernance” eo anivon’ny koaminina ka ho hita eo ny tohiny.

