CHRISTIAN K - 5 TAONA NIHIRANA : Hanolotra seho feno

5 taona sahady izay no efa nanjifan’ireo liankanto an-tsehatra ny feomanga sy avo ary feno angolan’i Christian K.

Ity farany izay tovolahy kely vao teo amin’ny faha-2 taonany no efa tsikaritra fa mankafy ny mihira sy ny mivazo amin’ny fo.

Tsy ny mihira ihany no nahafantarana an’i Christian K fa teo ihany koa ny fandraisana anjarany teo amin’ny filalaovana sarimihetsika malagasy sy ny sehatry ny fanaovana dokambarotra. Maro ihany koa ireo fifaninanan-kira teny anivon’ireo haino aman-jery tsy miankina no efa nahazoany amboara sy marim-pankasitrahana maro. Tsy vitsy ireo mpanakanto efa matihanina no nampiaram-peo taminy.

Seho feno sy Kanto

« Am-pitiavana be », io no anarana nasalotra ny fampisehoana, hotanterahana, etsy amin’ny CCESCA Antanimena, ny alahady 21 novambra izao, hanomboka amin’ny 03 ora tolakandro…

Ankoatry ny fandraisan’anjaran’ireo mpanakanto mpihira efa fanta-daza toa an’i Njakatiana, Ariane, Paris, Sarobidy, Jennia ary i Sitraka dia handray anjara sy hanafana ny seho ihany koa ireo mpanao hatsikana Tsingetry sy Mah. Ireo rehetra ireo, horavahan’ny soradihy hiangalian’ireo efa matihanina amin’izany.

Nomarihan’ireo mpiketrika ny « Am-pitiavana be » fa hiavaka sy ho raitra ary ho kanto ny haingon-tsehatra ary ho lafatra ny pitsopitsony ara-teknika toy ny fanamafisam-peo, jiro, hazavana. Ireo no hatao, hoy hatrany ireo mpikarakara dia ny hahafahana manolotra ny kanto sy mampianjaika ny meva ho an’ireo mpankafy ny talentan’i Christian K, nandritra izay 5 taona niakarany an-tsehatra izay. Samy tsy hisy ho diso anjara, araka izany, ireo rehetra ho avy eny an-toerana hanatrika ny seho « Am-pitiavana be ». 5 taona no lasa, mbola vonona hatrany ny hanolotra ny kanto rehetra avy any aminy i Christian K ho amin’ny taona maro mifandimby.

Vous aimerez aussi