CORONAVIRUS : 21 no sitrana, 1 no maty

Lehilahy 63 taona indray no namoy ny ainy, noho ny valanaretina coronavirus, tao Toamasina, tamin’ity anio ity. Voalaza fa taizan’aretin’ny tosi-drà izy ary misohika ihany koa.

Tafakatra 9 izany ireo namoy aina noho ity aretina ity.

Miisa 26 kosa ny tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana 244 nataon’ny IPM sy ny HJRA.

Amin’ireo 26 ireo dia ny 15 teto Antananarivo ary 11 tao Toamasina.

Miakatra 1.052 noho izany ireo voa sy efa voan’ity valanaretina ity.

21 kosa no isan’ireo sitrana androany, izay tao Toamasina avokoa, ka 233 izany ireo sitrana hatrizay.

Mbola manohy fitsaboana kosa ireo marary 811, izay ny 9 amin’izy ireo dia manana fahasarotana.

Mitontaly 15.608 kosa ny isan’ny fitiliana natao hatrizay.

Mitohy ny ezaka

Mitohy hatrany ny ezaka sy ny fanentanana amin’ny fiadiana ity valanaretina ity. Ho an’izay tsy tafajanona ao an-trano dia ny fanaovana sarontava dia zav-dehibe iarovana ny tena sy itsinjovana ny hafa.

Ilaina koa ny fielanelanana iray metatra mba ialana amin’ny piti-drora izay tena mitondra ny tsimokaretina.

Tsy azo adino koa anefa ny fahadiovan’ny tena manokana, amin’ny fisasa-tànana matetika.

Vous aimerez aussi