Miaina ao anatin’ny loto sy ny fako ary ny fofona ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’Andravoahangy amin’izao fotoana izao, ka nahatonga ny delege hanatsara ny tsena. Misy koa ireo tsena maty eny an-toerana, ka ny mba hampandrosoana izany no tanjona, hoy izy ireo. Ny fikambanana Etami na Etale Miray hina no nijoro voalohany, izay vao ny FI.MPI.E.A na ny Fikambanan’ny mpivarotra Etale Andravoahangy. Nambaran-drtoa Raharimalala Felicien, filohan’ny fikambanana Etami, fa ireo mpivarotra asa-tanana sy ireo mpivarotra lamba isaka ny alarobia no manankorontana io fanatsarana ny tsena io. Tsy maintsy diovina ny tsena ary havadika trano biriky ireo tsena hazo izay atahorana hitera-doza na sanatria ho may kilan’ny afo, hoy hatrany ity delege ity.


