Rahampitso tolakandro no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ireo Malagasy 164 tavela ao Koweit.
Tompon’antoka amin’izao fampodiana ireo mpiasa ireo izao ny Organisation Internationale pour les Migrations (OIM) sy ny Organisation Internationale de Travail (OIT), izay nanampy ny Fitondrana Malagasy.
Mandritra izany fahatongavan’izy ireo izany dia hisy ny fepetra hentitra ho raisina. Ankoatra ny fitiliana tsimokaretina dia hisy ny fizarana sarontava ho azy ireo. Eo ihany koa ny fisian’ny fiara voatokana hitatitra azy any amin’ny hotely 2 efa voaomana hanaovan’izy ireo ny fitokana-monina mandritra ny 14 andro.
Hanana ny toerany manokana amin’ny fiantsenana ireo mpiray tanindrazana ireo koa ny mpanao gazety. Azo atao ny maka sary saingy tsy azo avoaka kosa izany raha tsy takomana ny tarehiny, araka ny fepetra voalazan’ny tompon’andraikitra.
Marihina moa fa efa ela no niantso vonjy hody ireo Malagasy any Koweit ireo. Ankoatra ny fisian’ny valanaretina coronavirus manerantany dia fijaliana no manjo ny ankamaroan’izy ireo, indrindra ireo vehivavy. Tsy vitsy ireo fanaka malemy efa namoy ainy, voaolana, iharan’ny herisetra,… tany an-toerana ka efa nofoanana ny fahazoa-miasa any, satria hanjakan’ ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao any. Tsy voahaja ny zon’ny mpiasa sy ny zo maha-olona kanefa mbola misy hatrany ny tamana any.


