“Azo atao tsara ny mivelona mandritra ny 100 taona mahery nefa mbola anivon’ny fahasalamana”, hoy ny Dr. Yves Raveloson. Tsy tsiambaratelo akory izany, hoy izy fa ny “fomba fiaina” amin’ny ankapobeny no mila amboarina sy ahitsy mba ho ela velona amin’ny fiainana. Anisan’ny tafiditra anatin’izay “fomba fiaina” izay ny fifehezan-tena toy ny fahaizana mionona, ny fandrindrana ny torimaso, ny fitonian-tsaina manoloana ireo olam-piainana, ny fahaizana mandanjalanja ny habetsahana sy ny kalitaon’ny sakafo ampidirina am-bava, ny fiezahana hiaina am-pifaliana mandrakariva, ny fifadiana zava mahadomelina, sns. Tsikaritra tokoa mantsy fa ny Malagasy ankehitriny dia mora andairan’aretina, vetivety ny fahanterana ary mora maty ihany koa. Anisan’ny antony goavana mahatonga ireo rehetra ireo ny tsy fahaizantsika intsony mandrindra ny “fomba fiaina” amin’ny ankapobeny manoloana ny rotorotom-piainana tsy azo ihodivirana.
Marihana fa firenena miisa 4 monja eto ambonin’ny tany (Grece, Costa rica, Italie ary Etazonia) no misy ny “Zone bleue” na ilay antsoina hoe : “Faritra manga”. Ny faritra manga dia toerana iray ahitana Olombelona maro feno 100 taona ary mbola salama tsara. Anisan’ny tanjona lehibe ho tratrarin’ny fikambanana tsy miankina ONG “Zyx wab” izay tarihan’i Dr. Yves Raveloson, araka izany, ny hahatonga an’i Madagasikara ho “zone bleue” na faritra manga voalohany aty Afrika. Anisan’ny ezaka ataonay amin’izany, hoy ny Dr. Yves Ravelson, ny fanatanterahana velan-kevitra “Seminera” amin’ireo seham-piaraha-monina rehetra vonona hanaraka ireo “fomba fiaina” tsotra nefa tsara ahafahana ho ela velona. Azo atao tsara tokoa mantsy ny manatanteraka izany ho an’ny Malagasy noho i Madagasikara mbola manana ireo akora voajanahary azo atao “sakafo bio”, ny fananantsika masoandro mandavan-taona, rivotra madio any Ambanivolo, sns. Mila ialana haingana koa anefa ny fivangongoana an-drenivohitra izay miteraka fahalotoana amin’ny endriny rehetra tsy hahasoa ny fahasalamana ary tsy hahalava velona ny Malagasy. Marihana fa nandritra ny 07 taona no nikarohan’i Dr. Yves Raveloson ity tetikasa mahasoa ny rehetra ity. Manao antso avo amin’ireo rantsa-mangaika rehetra, araka izany, izy mba hifanome tanana ho amin’ny fanapariahana sy fanatanterahana izany. Raha tanteraka izany hiaina lavitry ny fampiasana fanafody simika Ramalagasy ary hihena hatrany amin’ny 60 isan-jatony ny teti-bola ampiasaina ho an’ny fahasalamana eto amintsika.