Hita tokoa, tsy vao izao fa efa hatry ny ela no ahitana fiaram-panjakana ampiasaina amin’ny zavatra hafa izay tsy misy ifandraisany akory amin’ny asa-panjakana. Toy ny entina miantsena, ohatra, na koa entina mitsangatsangana miaraka amin’ny fianakaviana, na koa entina mamonjy lanonana samihafa.
Izany anefa dia tsy tokony ho atao mihitsy satria ireny fiara ireny dia voatokana ho ampiasain’izay tompon’andraikitra omena azy, amin’ny asa sy andraikitra tanterahiny. Manoloana izany dia namoaka fampitandremana hentitra ny governemanta, ny alahady 8 desambra teo, ho an’ireo izay mbola zatra ny lalan-dririnina ary mihevitra ny tenany ho manam-pahefana ambony ka tsy tokony ho saziana.
Manomboka izao àry dia ho hentitra ny fanaraha-maso ireny fiara ireny ka tsy handeferana mihitsy izay tratra mbola mandika ny lalàna. Voakasika manokana amin’izany ireo tompon’andraikitra nomena ny fiara sy ny mpamily miaraka aminy.


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.
