Nalana tsy ho mpikambana eo anivon’ny Governemanta tamin’ity tolakandro ity Rtoa Rijasoa Andriamanana Josoa, izay Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampiofanana teknika ary Arakasa.
Misolo azy vonjimaika, noho izany, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Rtoa Assoumacou Elia Béatrice, mandrapisian’ny fanendrena vaovao.
Ny 29 janoary lasa iny moa no nanendrena an-dRtoa Rijasoa, niaraka tamin’ireo Minisitra vitsivitsy.
Vao tsy ela teo izy no nahazo fanakianana tamin’ireo Solombavambahoaka noho ny fisian’ny fandaniam-bola tsy dia mazava loatra. Anisan’izany ny resabe mahakasika ny vola 8 miliara Ar nividianana « bonbons » ho an’ny mpianatra, mba hitelomana ny ngidin’ny tambavy organics.
Andrasana moa izay ho famotorana iandraiketan’ny Bianco, manoloana izao raharaha izao.


