Fanadinana BEP : Mpiadina 8.577 no nandray anjara

Mpiadina miisa  8.577 no niatrika ny fanombohan’ny fanadinana Brevet d’Etudes Professionnel (na ny BEP) manerana ny Nosy  ny maraina tamin’ny 7 ora sy sasany teo. Miisa 72 kosa ny Foibem-panadinana iadinan’izy ireo.
Izao fanadinana izao moa dia mitovy lenta amin’ny fanadinana bakalorea eo amin’ny sehatra ny asa, na sokajy fahatelo eo anivon’ny asam-panjakana.
Eto amin’ny Faritra Analamanga no nahitana mpiadina betsaka indrindra amin’ity fanadinana ity satria miisa 4.077 izy ireo, raha ny Faritr’i Melaky kosa no vitsy indrindra, izay miisa 25.
Karazana sampan’asa miisa 26 no andraisan’ireo mpianatra anjara amin’ity fanadinam-panjakana ity saingy ny taranja ara-pitantanana no be mpiadina indrindra, satria nisy 2.976 ny isan’izy ireo.
Tsy dia mahaliana ny maro loatra kosa ny taranja fikojakojana fitaovam-pambolena satria dia telo (3) monja ny mpiadina nisafidy izany.
Tetsy amin’ny lycée technique professionnel etsy Mahamasina no nanokafana tamim-pomba ofisialy izao fanadinana izao, izay notronin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana teknika, Volahaingo Marie Thérèse, izay nirary soa sy fahasalamana ho an’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoam-panadinana izao.
Marihina moa fa ny alakamisy ho avy izao vao hifarana ity fanadinana ity.

Vous aimerez aussi