FANDOSIRAN’NY TALE JENERALIN’NY CNAPS TEO ALOHA : Tsy mahalala ny fandosirany ny vinantolahiny nanampy azy

Ny 24 marsa ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ireo efa-dahy niray tsikombakomba tamin’ny fanamorana ny fandosiran’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps teo aloha sady Filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra, Arizaka Raoul Rabekoto.

Nohenoina teo anivon’ny Fitsarana, io maraina io, izy efa-dahy ireo, izay  ny vinantolahiny, ny mpamily ny fiara nofaina ary ireo roalahy nitondra ny vedety nandosirany.

Fantatra nandritra izany fa fanampiana  noho ny maha zanaka no nataon’ ilay vinanto fa tsy mahalala ny vontoatiny izy. Nilaza ho tsy mahalala ity nandositra ity kosa ireo mpitondra vedety.

Manoloana izany dia nangataka ny fampitsaharana ny fanenjehina azy ireo ny  Mpisolovavany.

Marihina moa fa tsy mbola naiditra am-ponja izy ireo fa notanana tao Ambanja noho ny fanadihadiana ihany.

Nahazo IST

Fantatra moa fa olona nahazo tsy fahazoan-dàlana mivoaka an’i Madagsikara (na IST) i Arizaka Raoul Rabekoto noho ny antony mahakasika ny mbola tokony hanadihadiana azy eo anivon’ny Fitsarana.

Izany dia mahakasika indrindra ny fitantanam-bola tao amin’ny Cnaps fony izy Tale Jeneralin’ity orin’asam-panjakana ity.

Tafavoaka ihany anefa ny lehilahy, ka voalaza fa any Soisa izy vao fantatra fa nitsoaka.

Vous aimerez aussi