FANOMANANA NY 26 JONA 2020 : Efa amperiny, hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana

Ny alarobia 13 may dila teo no efa nanomboka ny fivoriana, tetsy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, Ampahibe, mikasika ny fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Nandray anjara tamin’izany ireo solontena avy amin’ny minisitera rehetra misy eto amintsika, izay mandrafitra ny komity mpanomana.

Nanamafy ireo mivondrona ao anatin’ny komity mpanomana ny fankalazana fa tsy maintsy hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana noho ny fisian’ny covid-19 eto amintsika ireo hetsika rehetra vinavinaina ho entina mankalaza ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay handia ny faha- 60 taonany amin’ity taona ity.

Baraingo mipetraka aloha hatreto ny mety hisian’ny matso lehibe fanao isan-taona na tsia. Eo ihany koa ny amin’ny toerana hanatanterahana izany sy ny mety ho isan’ireo handray anjara. Ireo rehetra ireo, efa samy dinihan’ireo komity mpanomana avokoa ankehitriny. Ny tsy azo iadian-kevitra dia hisy ny fanamarihana ny fetim-pirenena 26 jona 2020 saingy ny endrika hisehoany no tsy maintsy hisy fiovana tsy ho toy ny fahita isan-taona noho ny covid- 19. Ny hirariana dia mba tsy ny fankalazana ny fetim-pirenena indray no vao mainka hampihanaka haingana ny coronavirus eto Madagasikara. Samy tomponandraikitra ny rehetra hisorohana izany.

Vous aimerez aussi