Hampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana amin’ny alalan’ny fampiasana ny zava-maniry ny Fikambanana Hafari Malagasy miaraka amin’ilay mpitsabo nentim-paharazana “Tradipraticien” Rakotondranaivo Jean Pierre. Araka ny fantatra, dia nolovain’ity farany tamin’ny dadabeny tany amin’ny 70 taona lasa io fitsaboana hataony io ary mety sy azo hatao eto Madagasikara, hoy izy. 11 taona izy izao no nanomboka nanatsara sy nanova ny asany tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo milina manara-penitra sy ny zavatra takian’ny fivoaran’ny toetr’andro ankehitriny ny tenany hanodinana ireo zava-maniry. Efa vita andrana tany amin’ny 70 taona lasa avokoa araka izany ireo ravinkazo hampiasainy ary nety teto Madagasikara izay fehezin’ny lalana 2011/002 tamin’ny 15 jolay 2011 ary nahazo fampiharana tamin’ny 22 Aogositra taona 2011 ihany koa. Tamin’ny andron’ny tetezamita no nivoahan’io lalàna io araka ny artikla laharana faha-100 mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Hanofana olona 200 ny dokotera Rakotondranaivo Jean Pierre. Isaky ny foiben’ny Hafari manerana ny Nosy araka izany dia hisy an’izay avokoa. Na izany aza dia tsy mivarotra fanafody izy ireo fa manamboatra, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny Hafari. Maro no efa sitrana tamin’izany ary nanaovana fanandramana toy ny diabeta sy ny homamiadana, ny tosi-drà, ny vehivavy saro-piterahana, sns. Na ireo dokotera manam-pahaizana sy ambony aza dia efa nandefa marary ho tsaboina tao amin’izy ireo. Tsiahivina fa Rakotondranaivo Jean Pierre dia voasoratra ao amin’ny laharana N° 2878 tao amin’ny ANTM ary nahazo “Chevalier de l’Ordre national” tamin’ny 15 novambra taona 2015. Mpikambana tao amin’ny Astrama izy taloha, saingy noho ny disadisa nisy dia efa ao amin’ny “Fitsaboana Traditionnel Malagasy” na FITRAMA ankehitriny izy ary miaraka amin’ny Hafari Malagasy.


