« Mahereza indrindra tompoko na dia eo aza ny voina mahazo sy ny fahasahiranana. Andriamanitra tsy mahafoy anareo, Andriamanitra tsy mandao anareo ! ».
Izany no teny fampiononana sy fampaherezana nentin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) foibe, avy amin’ny alalan’ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy, manoloana ny voina manjo ny firenena noho ny fisian’ireo namoy aina sy traboina.
Miara-ory amin’ny vahoaka malagasy rehetra tamin’ny voina izay nahazo, noho ny fisian’ny trano rava sy Fiangonana rava ary ny namoy aina sy ireo tsy hita popoka koa ny FFKM. Ary mitondra fampiononana feno ny vahoaka malagasy, ny fianakaviana, izay niharan’ny fahoriana tamin’ireny ranobe ireny.
Ny Tompo Jesoa anie hampionona sy hampahery atsika rehetra !


