Tontosa ny sabotsy 22 jolay 2023 lasa teo ny hetsika fanomezan-drà maimaim-poana nataon’ny Fiangonana Lanitra sy Tany Vaovao Fiangonan’i Jesoa tao amin’ny Hopitaly HJRA Anosy.
Mpikambana 57, tanora sy lehibe no niara-mientana tamin’izany mba hamonjena ain’olona maro. Ity hetsika ity dia noho ny fahatsapan’ny Fiangonana ny asarobidin’ny fifanampiana sy firaisan-kina indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana. « Manome rà, mamonjy aina. »
Tsy mitsahatra eto ny hetsika ataon’ny Fiangonana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. « Mbola maro no azo atao ho an’i Madagasikara », hoy hatrany ny Fiangonana.
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.