Nodimandry teo amin’ny faha-77 taonany ny Mpitandrina Ramino Paul Abraham, ny sabotsy hariva teo.
Mpitandrina naharitra tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) Fitandremana Amparibe Famonjena izy nandritra ny 20 taona mahery mandra-pisotrony ronono, ny Desambra 2007. Ny taona 2016 no nankalazaina ny faha-50 taona naha-Mpitandrina azy ny Pasitera Ramino. Nisahana andraikitra samihafa teo amin’ny sahan’ny FJKM izy. Anisan’izany ny fampianarana teo amin’ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika (na ny Setela).
Mpikambana tao amin’ny Tilin’i Madagasikara sy ny Firaisan’ny Skotisma (FSM) eto Madagasikara koa izy.
Kanto sy politika
Mpanoratra boky ihany koa i Pasitera Ramino Paul, ka anisan’ny malaza amin’izany ny « Lamako », satria nampiasain’ny maro izany. Mpamorona tononkalo koa ny tenany.
Teo amin’ny sehatra politika kosa dia nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny famahana ny olan’ny krizy teto Madagasikara ny taona 2009 ny Pasitera Ramino Paul ary nanangana ny « Raiamandreny Mijoro », ny taona 2010 mba ho fampihavanana ny Malagasy. Mpikambana teo anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (na FFM) ihany koa izy.
Ny mpiara-miasa eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

