Ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon, dia noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany 17 novambra 2021, ny Masoivoho zaponey SEM Yoshihiro Higuchi.
Eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ara-jeopolitika, aty amin’ny faritra indo pasifika, dia nanolotra sambo haingam-pandeha mpijirika miisa 5 ho an’i Madagasikara i Japon izay miadidy ny filaminana sy ny fivezivezena an-dranomasina amin’izany faritra izany. Ireo sambo ireo dia entina hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina eto amin’ny Nosy. Hita soritra tokoa ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, izay miseho amin’ny endrika maro toy ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola izay entin’ny Governemanta zaponey amina sehatra maro eto Madagasikara. Ireo tetikasa ireo dia manampy indrindra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny Nosy.
Naneho ny faniriany ny Filoha Andry Rajoelina ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Japon, ary indrindra ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa mifandraika amin’ireo laharam-pahamehana izay voasoritra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Fa indrindra ny fanomezan-danja ireo sehatra mampiavaka sy tena mampandroso ny firenena, mba hahatonga ny fiaraha-miasa tena hahazoan’ny firenena roa tonta tombontsoa iombonana, na eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany izany, na ny jono, na ny teknolojia, sns… Ankoatra izay dia voaasa manokana amin’ny Tokyo Nutrition For Growth Summit 2021, ny Filoha Andry Rajoelina, noho izy tompon-daka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin’ny Vondrona Afrikanina.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

