Antom-pijoroan’ny Fikambanan’ny orinasa Malagasy na ny FOM, ny hanolo-tanana ireo orinasa malagasy madinika sy salantsalany mba ho amin’ny tombontsoan’izy ireo. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miatrika ny lafiny ara-toekarena indrindra fa ny hipakan’izany eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Izany indrindra no nahatonga ny FOM nampahafantatra ny orinasa ny paikady rehetra fidirana amin’ny ara-dalana. Manolotra vahaolana hatrany araka izany ny FOM. Fanambin’ny FOM ny hametraka ny “antenne FOM” manerana ny Nosy raha efa mahatratra 10 ny isan’izany ankehitriny. Mitondra ny teny filamatra manao hoe : “Fampandrosoana-Fihavanana-Firaisankina” ny FOM. Nahatontosa ny Fivoriam-ben’izy ireo izay fanaony isan-taona ny FOM, ny 19 martsa 2026. Fotoana izay nitaterana ny asa vita. Nametrahana ihany koa ny vina apetraka ho amin’ny taona 2026.


