« Araka ny zava-misy sy ny resaky ny olona dia sady Gasy no manana zom-pirenena Frantsay Rajoelina ka manahirana. Koa na an’ny Gasy io na an’ny Frantsay dia an-dRajoelina ihany. Noho izany tsy azo antoka loatra izy amin’io raharaha io ».
Anisan’ny filazana nataon’ny Me Willy Razafinjatovo, fantatra amin’ny hoe Olala izany, nandritra ny favahinianany tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.
Koa asehoy amin’izay milaza izany, hoy izy, fa tsy marina izany ! Fa Malagasy marina ianao, Malagasy ray sy reny,… Koa aza mikoso-maso amin’ny fakana an’ireo Nosy manodidina ireo.
Aza manao fampanantenana poakaty
Amin’ny maha-zoky ahy kosa, hoy ihany ity Mpisolovava ity dia miteny aho hoe : « Aza atao resabe fotsiny ‘lay izy fa araho asa ! Tanteraho ‘zay zavatra tenenina fa aza atao fampanantenana paokaty fotsiny ! Tanteraho ‘zay nolazaina mba hampandry ny tany sy hampandroso ny tanindrazantsika ! »
Nipongatra
Marihina moa fa nipongatra indray ity raharaha Iles Eparses na Nosy manodidina ity noho ny fanontaniana napetrak’ireo mpanao gazety Frantsay tamin’i Andry Rajoelina, andro vitsy lasa izay.
Voarain’ny Frantsay ny hafatra ka hakana hevitra ny vahoaka ao aminy, ny amin’ny hanaovana ho valanjavaboahary nasionaly ny Nosy Sambatra na Iles Glorieuses, araka ny antontan-kevitra navoakany ny alatsinainy 11 mey teo.
Koa hatramin’ny 01 jona izany fakan-kevitra izany. Ny tanjony dia ny hoe hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary misy ao.
Hisy ny teti-bola manokana ho amin’izany sy ny fametrahana tompon’andraikitra hitantana ny Nosy.
“Réserve Naturelle Nationale” moa no anarana heverin-dry zareo omena ity Nosy Sambatra antsika ity.
Marihina moa fa 220 Km miala an’i Madagasikara ity Nosy ity ary 8.500 Km mahery miala an’i Frantsa kosa.


