Nanomboka nandray ny asany ireo mpampianatra etsy amin’ny lisea maoderina Ampefiloha androany. Nazava ny fanazavana nentin’ny Filoham-pirenena, mikasika ny « panier garni », hoy izy ireo, ka hiroso amin’ny fampianarana amin’izay izahay.
Nitondran’ny Filoha fanazavana manko ny amin’ny tsy nisian’ny firindrana nataon’ny Minisitra mikasika iny vola 65.000 ar iny, izay tokony ho an’ny mpiasa birao ihany, ka niteraka savorovoro teo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Manoloana izany no hitakian’ireo mpampianatra ny hisian’ny mangaraharaha hatrany mba hivoahan’ny fahamarinana, amin’izao vanim-potoana izao.
Hanaraka ve ny mpampianatra sisa ?
Ny mpampianatra etsy amin’ny LMA aloha no fantatra fa nampitsahatra ny fitokonana. Tsy fantatra kosa ny fihetsik’ireo avy amin’ny lisea sisa. Ny azo ambara dia lasibatra noho ny antony maivana loatra ireo mpianatra.
Anisan’ny tohana ihany koa moa ny Filoha noho ny fanazavana nataony somary diso aoriana kanefa nandrasan’ireo mpampianatra hatry ny ela izany.


