FITSARANA AVO : Voatendry ireo solombavambahoaka ho mpikambana ao

Tsaradia Marco, solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy (Tsy miankina) sy Richard Jean Bosco Rivotiana (IRD), izay voafidy tany Lalangiana, no voafidy ho solombavambahoaka tompon-toerana handrafitra ireo mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo (na ny Haute Cour de Justice).

Ramatoa isany  Mamizara Yasmirah Laeticia (Tsy miankina), voafidy tao Besalampy sy Rafenomanantsoa Tsimaharo Ny Aina (IRD), voafidy  teto Antananarivo Renivohitra, boriboritany faha- III kosa no ho mpisolo toerana.

Hitsara ireo olona ambony

Ny taona 2018 moa no nametrahana ity rafi-pitsarana afaka mitsara ireo olom-panjakana ambony ity. Tsy tontosan’ny mpitondra teo aloha ny nametrahana hatramin’ny farany ireo olona mpikambana ao aminy. Hany ka tsy afa-niasa araka ny tokony ho izy izany.

Feno izany ankehitriny ka tokony hiasa an-kahalalahana amin’izay izany ity Fitsarara avo ity.

Marihina fa ao anatin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna ny antony nametrahana izao rafitra izao.

Irina, akaka izany, fa mba ho foana ny tsimatimanota manjakazaka eto amin’ny firenena raha toa ka hitsara tsy miangatra tokoa ity Fitsarana ity.

Vous aimerez aussi