FITSINJOVANA NY MAITSOAHITRA

Vary milanja 35 taonina tamin’ireo nafaran’ny fitondram-panjakana no fantatra fa tapitra nojifain’ireo mpanjifa tao amin’ny boriborin-tany I, II ary ny  faha III teto an-drenivohitra tamin’ny alarobia 11 janoary 2023 lasa teo.

Sandaina amin’ny vidiny Ariary 650 ny iray kapoaka. Voalaza fa ny an-tsasa manila tamin’ireo vary aparitaka amidy amin’ny fokontany miisa 54 eto an-drenivohitra ireo lany tamin’ireo boriborin-tany telo ireo. Nilaza ny Tale jeneraly avy eo anivon’ny varotra sy ny fanjifana (DGCC), Andriamatoa Isidore Razanakoto fa ho fampifandanjana ny tolotra sy ny tinady ka hahamarin-toerana ny vidim-bary no tanjona amin’izao hetsika ataon’ny fitondram-panjakana izao. Natao ihany koa mba hamahana ny olan’ny fiakaran’ny vidim-bary eny anivon’ireo mpaninjara ifotony ho fitsinjovana ireo vahoaka tsy vaky volo. Nidina nanara-maso  teny amin’ny fokon-tany Ampandrana, Rasalama, Besarety ary Ankadifotsy ny ekipan’ny DRICC Analamanga nandritra ny fitsinjarana ireo vary  tsinjo ireo tamin’io andro alarobia faha 11 janoary lasa teo io.

Araka ny fantatra dia 160 000 taonina ny lanjan’ny vary nafaran’ny fanjakana Malagasy mba hitsinjovana ny maitsoahitra. Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra dia nanamafy fa ampy hiatrehana ity vanim-potoana ny fahavaratra ity ireo vary ireo.

Vous aimerez aussi