Fizahantany : Aseho ny hakanton’i Madagasikara

« Asehoy ny hakanton’i Madagasikara ». Izany no lohahevitra entina hanompanana ny fihaonan’ireo  mpampiasa vola vahiny an-jatony sy ny mpandraharaha malagasy eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana, na ny Wave Madagascar, izay nanomboka ny maraina teo teny amin’ny CCI Ivato.

Ny fampitomboana ho 500.000 isan-taona ireo vahiny hitsidika an’i Madagasikara no tanjona amin’izao fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany izao ka ilaina ny fampahafantarana an’i Madagasikara amin’ny any ivelany. Anisan’ny fototra voalohany itarafana ny fisondrotry ny toekarena iray manontolo manko ny fizahantany.

Fotodrafitrasa vaovao

Ho fanatanterahana izany dia mila hatsaraina ireo fotodrafitrasa fandraisana ny vahiny, mila hamboarina ihany ny làlana an-tanety, ny famerenana ireo làlamby, ary koa ny fanajariana indray ny lakandranon’i Pangalana.
Ankoatra izany dia hisy ihany koa ny fitrandrahana ny morontsiraka eto Madagasikara, izay mirefy 5.000 Km be izao, ka azo hanorenana fotodrafitrasa mahasarika mpizahantany.
Miteraka asa 17.000 eo ihany koa ity sehatry ny fizahantany ity araka ny vina hatramin’ny taona 2023, raha 4.600 izany ankehitriny.

Hamoraina ny asa

Ho an’ireo mpandraharaha vahiny izay hanana famatoram-piaraha-miasa eto amintsika dia hisy ny fanamorana ny dingana arahina eo amin’ny lafin’ny fandraharahana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara tsy misy kolikoly sy ny fanafainganana ny fomba fiasa eny anivon’ny biraom-panjakana isan-tsokajiny.
Taorian’ny fanokafana tamim-pomba ofisialy izao fihaonana izao, izay nataon’ny Filoha Andry Rajoelina dia efa nisy ny famelabelaran-kevitra momba ny zava-misy eo amin’ny fizahahantany ankehitriny sy ny momba ny fitaterana.
Marihina moa fa haharitra efatra andro izao fihaonan’ny mpandraharahan’ny fizahantany izao.

Vous aimerez aussi