Lehilahy mahery, mpandala ny fomba nentim-paharazana misy manerana ny Nosy ary saropiaro amin’ny fiarovana ny hasin’ny tany, rano ary ny kakazo malagasy. « Ampiasaiko ho amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona amiko tsy ankanavaka ho amin’ny mahasoa azy ireo ny fikirakirako ireo fomba nentim-paharazana malagasy », hoy i Lehilahy mahery. Anisan’ireny ny fitsaboana nentim-paharazana izay tsy manavaka karazan’aretina sy sokajin’Olombelona. Asa goavana iseharan’ny Lehilahy mahery ihany koa ny fanomezana fiarovana ny ambantatenan’ny tsirairay, ny fananany ary ny asa fihariana izay atao manoloana ny mety ho fisomparana hataon’ny hafa eo amin’ny fiainana sy ny fanarenana ny vintana mnba hananana fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Ankoatry ny teratany Malagasy eto an-toerana, misitraka ny sehatrasa fitsaboana sy fiarovana ny fiainana amin’ny ratsy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fomba malagasy ataon’ny Lehilahy mahery ihany koa ireo mpila ravin’ahitra sy teratany vahiny any Dilambato. Anisan’ireo mpikambana feno eo anivon’ny « Association Nationale des Tradipraticiens de Madagascar »» sy ny « Astrama» fitsaboana malagasy i Lehilahy mahery.
Nandalina manokana ny tontolon’ny sikidy mampiasa ny karatra hijerena ny miafina mba hahafahana manatsara ny hoavy (Cartomancie voyance) i Lehilahy mahery. Azo atao tsara, araka izany, hoy i Lehilahy mahery ny mitsabo na manarim-bintana ampitain-davitra (à distance) amin’ireo « Taiza » any Dilambato (Frantsa, Etazonia, Italie, Maurice…) amin’ny alalan’ny fampiasana ny sikidy. Nomarihan’ny Lehilahy mahery fa miara-miasa akaiky hatrany amin’ireo « Zavamanan-kasina » toy ny Dadibe « kalanoro », « Andriambavirano », « Tromba » akaiky hatrany izy eo am-panatanterahana ny asa mahasoa ny rehetra ataony tahaka ny fanarenam-bitana, fikatsahana harena, fanorenan-tokatrano, sns. Voahaja tanteraka ny « tsiambaratelo » ho fiarovana ny tsirairay, hoy i Lehilahy mahery. Etsy Namontana no misy ny toerana fandraisan’Olona ho an’ity Malagasy nahazo fanomezam-pahasoavana hanasoa sy hanampy ny mpiara-belona aminy mba hahafahan’ny tsirairay mahita fahombiazana amin’ny fiainana ity.